Endrika maro no isehoan’ny fanompona an’Andriamanitra izay ataon’ny Ziona FJTSa7 (Ziona Fiangonan’i JEHOVAH Tompon’ny Sabata andro faha-7) ary amin’izany dia misy ihany koa ny fotoana hiaraha-mivavaka araka ny tenin’ny Apostoly Paoly hoe « aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro. » (Hebreo 10:25), ka eo ny efa lalàna izay efa napetrak’i JEHOVAH (Levitikosy 23) ary eo koa ireo nalahatrin’ny Fiangonana natao hitaizana ny mpiray fanantenana ary koa ho fitoriana filazantsara ho an’ireo mpiara-belona sy ny manodidina. Ka ireto no santionany amin’izany :
Fivoriam-bavaka isaky ny andro masina : handraisana famonjena, fiainam-baovao, fiadanana sy vahaolana, fitahiana, fanasitranana sy herin’ny Fanahy Masina, iarahana amin’ireo HAMAMA (olomboahosotra) mpiara-miasa amin’i Apostoly Benjamina.
- Isaky ny asabotsy (andro sabata) manomboka amin’ny 08ora30mn maraina…te ahafantatra momba ny sabata
- Isaky ny voaloham-bolana manomboka amin’ny 08ora30mn maraina… fa inona no atao hoe voaloham-bolana
- Isaky ny paska, firavoravoana ary pentekosta.
Fiaraha-mivavaka isaky ny alahady maraina : handraisana hery sy aim-panahy.
Tafika mahery : fotoam-bavaka isaky ny alarobia iarahana amin’ireo HAMAMA Evanjelisita eto amin’ny Ziona FJTSa7, natao indrindra ho an’ny rehetra. Hamaky ny an-tsipirihany
Fandraisana olona ataon’ireo HAMAMA Loholona : mpiara-miasa amin’ny Apostoly Benjamina handraisanao toro-hevitra sy fitondrana am-bavaka ary fametraha-tanana, isaky ny alakamisy.
Fiaraha-mivavaka isa-tokatrano (cellule de prière) : Ho fitaizana ny aim-panahy dia mifamotoana isan-tokatrano amin’ny fotoana izay mahafaka azy ny mpino vitsivitsy na maromaro isam-paritra miara-mivavaka. Vokatra maro no efa noraisina tamin’izany satria ao ireo mandray valim-bavaka avy hatrany nohon’ny fanatrehan’ny Tompo ao ; misy kosa ireo voatahy sy mitombo aim-panahy.